# ny tany izay mitroka ny orana Ny toeram-pambolena izay mamokatra avy amin' ny orana betsaka dia resahana toy ny hoe olona izay nisotro ranon'orana. DH: "ny tany izay mitroka ny orana" # izay mamokatra ireo zava-maniry Ny toeram-pambolena izay mamokatra ireo vokatra dia resahina toy ny hoe niteraka azy ireo izany. DH: "Izay niteraka ireo zava-maniry" # ireo olona izay niasana ny tany DH: "ireo izay nikarakaran'ny olona ny tany" # tany izay mandray fitahiana avy amin' Andriamanitra Ny orana sy ireo vokatra dia hita toy ny porofo fa namampy ny toeram-pambolena Andriamanitra. Ny toeram-pambolena dia resahina toy ny hoe olona izay afaka mandray ny fitahian' Andriamanitra. # fitahiana avy amin'Andriamanitra Eto ny hoe "fitahiana" dia midika fanampiana avy amin'Andriamanitra, fa tsy teny nolazaina. # akaikin'ny fanozonana Ity dia miresaka ny "fanozonana" toy ny hoe toerana izay afahan'ny olona manakaiky. DH: "tandindon'Andriamanitra manozona izany" # Ny fiafaran'izany dia amin'ny firehetana Andriamanitra dia hatonga ny zava-drehetra eo amin'izany saha izany ho may.