# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ny mpanoratra dia manohy ny amin'ny tokony ataon'ireo mpino Hebreo tsy matotra mba ho tonga Kristiana matotra. Izy dia mampatsiahy azy ireo ny amin'ireo fampianarana fototra. # andeha havelantsika ny fiantombohan'ny hafatr'i Kristy ka handroso amin'ny fahamatorana Ity dia miresaka momban'ireo fampianarana fototra toy ny hoe fiantombohan'ny tontolo andro ary ireo fampianarana matotra toy ny hoe faran'ny tontolo andro. DH: "andeha hajanontsika fotsiny ny firesahana izay nianarantsika voalohany ary hanomboka hanakatra ireo fampianarana matotra bebe kokoa ihany koa" # Andeha isika tsy hametraka indray ny fototry ... ny finoana an'Andriamanitra Ny fampianarana fototra dia resahina toy ny hoe trano lehibe izay manomnoka amin'ny fametrahana fototra ny fanamboarana azy. DH: "Andeha isika tsy hamerina ireo fampianarana fototra ... ny finoana an'Andriamanitra" # asan'ny maty Ny asa feno fahotana dia resahina toy ny hoe an'ny tontolon'ny maty ireo. # na ny fototry ny fampianarana ... fitsarana mandrakizay Ny fampianarana fototra dia resahina toy ny hoe trano izay ny fametrahana fototra no fiantombohan'ny fananganana azy. DH: "na ireo fampianarana fototra ... fitsarana mandrakizay" # ny fametrahan-tanana Ity fomba fanao ity dia natao mba hanokanana olona iray ho amin'ny fanompoana manokana na toerana manokana.