# ry rahalahy Eto ity dia maneho ireo namana Kristiana ao antin'izany na lahy na vavy. DH: "ry rahalahy sy anabavy" na "ry namana mpino" # tsy hisy na iray aminareo aza no hanana fo ratsin'ny tsy finoana Ny fo eto dia resahina toy ny hoe fisainan'ny olona, ny ivon'ny sitrapon'ny olona sy ny zontom-po. DH: "tsy hisy hitsahatra ny amin'ny finoana an'Andriamanitra ianareo" # fo izay miala amin'Andriamanitra velona Ny fon'ny olona dia resahina toy ny hoe ilay maha-olona manontolo, izay afaka miala amin'ny lala-marina tokony harahina. DH: "ary tsy mankatoa an'Andriamanitra velona intsony ianareo" # Andriamanitra velona "Ilay Andriamanitra marina izay tena velona" # raha mbola misy ny antsoina hoe: "Anio" "Raha mbola misy fahafahana" # tsy hisy aminareo ho mafy fo amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotana DH: "ny fitaky ny fahotana dia tsy hanamafy na iza na iza aminareo" # tsy hisy aminareo ho mafy fo amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotana Ny fahamfisana dia resahina toy ny hoe mafy na manana fo mafy. Ny fahamafisana dia vokatry ny famitahan'ny ota. DH: "tsy hisy ho voafitaky ny ota ary ho tonga mafy loha aminareo" na "tsy manota ianareo, mamitaka ny tenanareo mba ho lasa mafy loha"