# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Nanohy fanoritsoritana ny fahitany amin'ny Yaveh i Habakoka. # Ireo lain'i Kosana azom-pahoriana aho, ary ny fanamboarana ireo lay ... amin'ny Midiana nihovitrovitra Ny vahoakan'i Midiana sy Kosana izay nanozongozona na niery amin'ny tahotra toy ny trano-lay lamba izay mihetsika rehefa misy rivotra mifafy. # Kosana Mety midika hoe: "1) anaran'ny andian'olona tsy fanta-piaviana na 2) mitovy an'i Kosa. # Tezitra tamin'ireo ony ve Yaveh? Moa ny fahaviniranao ve tamin'ireo ony, na ny fahatezeranao tamin'ireo ranomasina ... ireo kalesim-pandresena Raha tsy mahay manavaka ny teny hoe: "tezitra" sy "vinitra" ary "romotra" ny fiteninareo, afaka atambatrareo ho "Tezitra amin'ny renireno ve i Yaveh? romotra amin'ny ranomasina ve ianareo ... ireo kalesim-pandresena.?" DH: "tsy tezitra tamin'ny renirano i Yaveh. Tsy vinitra hanohitra ireo renirano i Yaveh, na tsy romotra hanoitra ny ranomasina ... ireo kalesim-pandresena." # Nitaingina ireo soavalinao ianao sy ireo kalesim-pandresenao Tahaka ny miaramila te hitaingina soavaly na kalesy amin'ny fiadiana, tonga mba hanavotra ny vahoakan'Israely i Yaveh.