# Ahoana raha mbola mitàna hatezerana amintsika Josefa Eto ny hatezerana dia resahina toy ny zavatra izay azon'i Josefa tazomina eny an-tanana. DH: " ahoana tokoa raha mbola tezitra amintsika i Josefa" # te-hamaly antsika ny amin'izay ratsy rehetra nataontsika taminy Ny mamaly faty ny olona izay nandratra azy dia resahina toy ny olona izay manefa amin'ny olona iray izay nataony. DH: "te hamaly faty ny amin'ny zava-dratsy izay nataontsika taminy" # Efa nanome baiko ny rainao talohan'ny nahafatesany, niteny hoe: 'Lazao amin'i Josefa izao: "Mamelà re ny fandikanan-dalàna sy ny fahotan'ireo rahahalahinao tamin'izay ratsy nataon'izy ireo taminao.'" Izany dia farango misosona roa na telo. Afaka atao izany hoe: DH: "Nananatra antsika ny raintsika talohan'ny nahafatesany ny mba hamelana ny ratsy izay nataonay taminao" # Efa nanome baiko ny rainao talohan'ny nahafatesany, niteny hoe I Jakoba dia rain'ireo mpirahalahy rehetra. Eto izy ireo dia miteny hoe "ny rainao" mba hanindrina fa tokony hanaraka tsara izay nolazain-drainy i Josefa. DH: "mialohan'ny nahafatesan'ny raintsika dia nilaza izy hoe" # sy ny fahotan'ireo rahahalahinao tamin'izay ratsy nataon'izy ireo taminao "tamin'ny zava-dratsy izay nataon'izy ireo anao" # Ary Tsy midika izany hoe "ankehitriny" fa natao mba hisarihana ny fifantohantsika amin'ny teboka manan-danja manaraka. # Ankehitriny dia mamelà re ireo mpanompon'Andriamanitry ny rainao Manondro ny tenany amin'ny "mpanompon'Andriamanitry ny rainao" ireo rahalahiny. Afaka atao izany hoe: DH: "Mba mamela re anay, mpanompon'Andriamanitry ny rainao" # Nitomany i Josefa rehefa niresaka taminy izy ireo "Nitomany i Josefa raha nandre ny hafatr'izy ireo"