# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nanohy nitahy an'i Josefa sy ireo taranany i Jakoba. # ny tsipikany dia hijanona hateza Ny fitazoman'ny olona ny tsipika dia resahina toy ny hoe ny tsipika no mijoro ho azy. Hita avy amin'izany fa mitazona ny tsipika izy hikendry ny fahavalo. DH: "hitazona ny tsipika izy raha mikendry ny fahavalony" # ny tsipikany ...ireo tanany Ilazana an'i Josefa sy ireo taranany izany. DH: "ireo tsipikan'izy ireo ...ireo tanan'izy ireo" # ireo tanany dia hanana fahaiza-manao Eto ny "tanana" dia ilazana ny sandrin'ny olona izay mitazona ny tsipika mijoro tsara. DH: "hatanjaka ny sandriny raha mikendry ny tsipikany izy" # ny tanan'ilay Mahery Ny "tanana" dia ilazana ny herin'i Yaveh. DH: "Ilay herin'ilay Mahery indrindra" # noho ny anaran'ny Mpiandry ondry Eto ny anarana dia ilazana ny olona manontolo. DH: "nohon'ny mpiandry ondry" # Mpiandry ondry Miresaka an'i Yaveh toy ny "mpiandry ondry" i Jakoba. Manasongadina izany fa mitantana sy miharo ny olony Yaveh. # ny Vatolampy Miresaka an'i Yaveh toy ny "Vatolampy" izay hiakaran'ny olona mitady fialofana amin'ny fahavalony i Jakoba. Manasongadina izany fa miharo ny olony Yaveh.