# Hitsara ny vahoakany (...) i Dana Eto ny "Dana" dia ilazana an'ireo taranany. DH: "ireo taranak'i Dana dia hitsara ireo olony" # ny vahoakany Ireo mety ho heviny dia 1) "ny vahoakan'i Dana" na 2) "ny olon'Israely" # Ho bibilava akaikin'ny lalana i Dana Miresaka mahakasika an'i Dana sy ireo ankohonany i Jakoba toy ny hoe bibilava izy ireo. Na dia kely aza ny bibilava, dia mety hampianjera ny mpitaingin-tsoavaly. Noho izany, na dia foko kely aza i Dana, dia tena mampidi-doza ireo fahavalony. DH: "Ho tahaka ny bibilava eny amin'ny lalana ireo taranak'i Dana" # Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh Ny anarana hoe "famonjena" dia azo atao hoe "voavonjy." DH: "Hiandry anao aho, ry Yaveh, hanavotra ahy" # hiandry aho Ny teny hoe" izaho" dia ilazana an'i Jakoba.