# hidera anao ireo rahalahinao ... Hiankohoka eo alohanao ireo zanaka lahin'ny rainao Mitovy ihany ny dikan'ireo fanambarana ireo. # hidera anao (...) ny tananao Ny fehezanteny faharoa dia mampitombina ilay fehezanteny voalohany. Ny teny "satria" sy "nohon'ny" dia azo ampiana eto hampahazava izany. DH: "hidera anao. Fa ny tananao" na "hidera anao nohon'ny tananao" # Ho eo am-bozon'ireo fahavalonao ny tananao Fomba hilazana ny hoe "handresy ireo fahavalonao ianao" # Hiankohoka Ny heviny dia mandohalika haneho fanetre-tena sy hampiseho fanajana sy voninahitra manolona ny olona iray.