# hitahiry anareo ho sisa eto an-tany "mba tsy ho levona eto an-tany ianao sy ireo fianakavinareo" na "mba hahazoana antoka fa ho velona ireo taranakao" # hitazona anareo ho velona amin'ny fanafahana lehibe Ny anarana hoe "fanafahana" dia afaka atao koa hoe "fanavotana." DH: "hitazona anareo ho velona amin'ny fanavotana amin'ny fitondrana mahery" # izy nanao ahy ho rain'i Farao Ny fanampiana sy ny fanoroana an'i Josefa an'i Farao dia resahina toy ny hoe rain'i Farao i Josefa. DH: "nataony ho mpitari-dalana an'i Farao aho" na "nataony ho ilay lehiben'ny mpanolotsaina an'i Farao aho" # ny tranony rehetra Eto ny "trano" dia ilazana ny olona izay mipetraka ao an-dapany. DH: "ny ankohonany rehetra" na "'ny ao an-dapany rehetra" # mpanapaka ny tany rehetra manerana an'i Egypta Eto ny "tany" dia ilazana ny olona. DH: "mpanapaka ny olona rehetra eto Egypta" # mpanapaka Eto i Josefa dia midika ho mpanapaka faharoa manaraka an'i Farao, ilay mpanjakan'i Egypta. Afaka atao mazava izany fampahafantarana izany.