# izay hitantsika ny fahorian'ny fanahiny Ny teny hoe "fanahy" dia ilazana an'i Josefa. DH: "satria hitantsika tokoa ny fahorian'i Josefa" na "satria hitantsika tokoa fa nijaly i Josefa" # Koa noho izany no nahatonga izao fahoriana izao tamintsika Ny hoe "fahoriana" dia azo atao koa hoe "mijaly". DH: "Izany no antony mahatonga antsika mijaly tahaka izao" # Tsy efa nilaza taminareo ve aho hoe: 'Aza manota amin'ilay zazalahy,' nefa tsy nihaino ahy ianareo? Mampiasa izany fanontaniana izany i Robena mba hibedesana ireo rahalahiny. DH: "nilaza taminareo ny tsy hampahory ny zazalahy aho, kanefa tsy nihaino ianareo!" # Indro, izao Eto ny "izao" dia tsy midika hoe "ankehitriny," kanefa ny "izao" sy ny "indro" dia nampiasaina hisarihana ny fifantohana amin'ny teboka manan-danja manaraka. # takiana amintsika ny ràny Eto ny "rà" dia ilazana ny fahafatesan'i Josefa. Nihevitra ireo rahalahan'i Josefa fa maty izy. Ny andian-teny "takiana amintsika" dia midika hoe tsy maintsy voasazy amin'izay nataon'izy ireo. DH: "mivaly amintsika izay nataontsika tamin'ny nahafatesany" na "mijaly nohon'ny namonoantsika azy isika"