# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nanohy nitantara tamin'i Josefa ny nofiny i Farao. # Niverina nanofy indray aho Fanomboan'ny nofin'i Farao manaraka izay tao aorian'ny nifohazany ka niverenany natory izany. DH: "Avy eo dia nanofy indray aho" # Indro, nisy salohim-bary fito Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina. # nitsimoka tamin'ny taho iray "nipoitra avy eo amin'ny tahony." Ny taho dia ny faritra matevina na lava amin'ny zava-maniry. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:4. # Indro, nisy salohim-bary fito hafa Mampiasa ny teny hoe "indro" Farao mba hisarihana ny fifantohan'i Josefa amin'ny fampahafantarana tsy ampoizina. # malazo, manify sy main'ny rivotra atsinanana Afaka atao izany hoe: DH: "izay nalazo, nanify, ary maina nohon'ny hafanan'ny rivotra avy any atsinanana" # nalazo "simba" na "maina" # rivotra atsinanana Rivotra avy any atsinanana mitsoka avy any an-tany efitra. Ny hafanan'ny rivotra avy any atsinanana matetika manimba ny voly tokoa. # salohy manify salohim-bary manify. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:7. DH: "Ireo salohim-bary manify" # nitsimoka "naniry" na "nitombo" # Nitelina "nihinana." Azon'i Farao nofy fa ireo akotry izay marary dia nihinana ny akotry tsara toy ny olona mihinana sakafo. Jereo ny nandikanao izany andian-teny mitovy izany ao amin'ny 41:7. # tsy nisy tamin'izy ireo afaka "tsy nisy na dia iray aza afaka" na "tsy nisy afaka (...) tamin'izy ireo"