# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nanohy niresaka tamin'i Farao ilay lehiben'ny mpitondra kapoaka. # Nisy (...) niaraka taminay tao "Tao am-ponja nisy (...) niaraka tamiko sy ilay lehiben'ny mpanao mofo" # ilay kapitenin'ny mpiambina Ilay miaramila izay miandraikitra ny fiambenana ny lapa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 40: 1. # Nolazainay azy ary nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy "nolazainay azy ireo nofinay ary nanazava ny dikan'izany taminay izy" # Nandika tamin'ny tsirairay taminay araka ny nofiny avy izy Eto ny mpisolo tena tampisaka "...ny" dia ilazana ny tsirairay avy dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofo, fa tsy manondro ilay mpandika ny nofy. DH: "Nohazavainy izay zavatra hitranga aminay roa lahy avy" # Ary Nampiasaina izany andian-teny izany eto hanamarihana ny tranga vaovao ao amin'ny tantara. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia mihevara hampiasa izany eto. # raha nandika ny hevitr'ireo nofinay taminay izy, dia niseho izany "izay nohazavainy mahakasika ireo nofy dia nitranga tokoa taty aoriana kely" # Naverin'i Farao tamin'ny toerana nisy ahy aho Eto ilay mpitondra kapoaka dia manonona ny anaran'i Farao hiresahana aminy ho marikin'ny fanajana. DH: "Navelanao hiverina amin'ny asako aho" # fa ilay iray hafa "ilay lehiben'ny mpanao mofo" # nahantony Eto ny mpisolo tena tampisaka "...ny" dia ilazana an'i Farao. Ary manondro ireo miaramila izay nobaikon'i Farao hanantona ilay lehiben'ny mpanao mofo. DH: "nandidy ireo miaramilanao ianao hanantona"