# Tonga (...) tao amin'izy ireo i Josefa "Tonga tao amin'ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo i Josefa" # Indro, nalahelo izy ireo Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa gaga tamin'izay hitany i Josefa. DH: "Gaga izy raha nahita an'izy ireo nalahelo" # ireo tandapan'i Farao izay niaraka taminy Ilazana ny mpitondra kapoaka sy ny mpanao mofo izany. # tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony "Niaraka taminy tao am-ponja tao an-tranon'ny tompony." "Ny tompony" dia ilazana ny tompon'i Josefa, ilay lehiben'ny mpiambina. # Tsy avy amin'Andriamanitra ve ny fanomezana dika izany? Nampiasa izany fanontaniana izany i Josefa mba hanaovana fanindriana. DH: "An'Andriamanitra ny fanomezana dika!" na "Andriamanitra no afaka milaza ny hevitr'ireo nofy!" (UDB) # Mba lazao ahy re Nanotany azy ireo hanambara aminy ny nofin'izy ireo i Josefa. DH: "Mba lazao ahy ireo nofy, azafady"