# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nitantara tamin'ireo rahalahany mahakasika ny nofiny i Josefa. # indro Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny fampahafantarana tsy ampoizina izay ho avy manaraka. # isika (...) Ny teny hoe "isika" dia ilazana an'i Josefa mbamin'ireo rahalahiny rehetra. # namehy amboaram-bary Rehefa masaka ny voa dia fehezina ho amboara ary ajanona eo mandra-pahatongan'ny fotoana hanesorana ny voa hiala amin'ny mololo. # ary indro Ny teny hoe "indro" eto dia maneho fa gaga tamin'izay hitany i Josefa. # niarina ny amboarako ka tafajoro tsara ... nilahatra nanodidina ny ahy kosa ireo amboaranareo ary niankohoka teo anatrehan'ny amboarako Eto ny amboaram-bary dia mitsangana sy mandohalika toy ny hoe olona izy ireo. Ireo amboara dia maneho an'i Josefa sy ireo rahalahany. # Dia hanjaka aminay tokoa ve ianao? Hanapaka anay tokoa ve ianao? Izany andian-teny roa izany dia milaza zavatra iray ihany. Mampiasa izany fanontaniana izany ireo rahalahin'i Josefa mba hanesoany an'i Josefa. Azo soratana toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy ho mpanjaka anay mihitsy ianao, ary tsy mba hiankohoka aminao na oviana na oviana izahay!" # hanjaka aminay Ny teny "...anay = ...nay" dia hanondrona ireo rahalahin'i Josefa koa tsy tafiditra na lazaina amin'izany i Josefa. # noho ireo nofiny sy ireo teniny "noho ny amin'ireo nofiny sy izay nolazainy"