# Zilpa Anaran'ny mpanompo vavin'i Lea izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 29:23. # izay naterany tany Padana-Arama Azo ambara avy amin'izany fa i Benjamina izay teraka tany amin'ny tany Kanana akaikin'i Betlehema, dia tsy tafiditra ao anatin'izany. Padana-Arama ihany no voatonona satria tany no nahaterahan'ny ankamaroan'izy ireo. Afaka atao mazava ny tena hevitr'izany. DH: "izay nateraka ho azy tany Padana-Arama, afa-tsy Benjamina izay teraka tany amin'ny tany Kanana" # Jakoba tonga tany amin'i Isaka Eto ny "tonga" dia azo atao koa hoe "lasa." # Mamre Anarana hafa iantsoana an'i Hebrona izany. Mety nampitondraina ny anaran'i Mamre, ilay naman'i Abrahama izay nonina tao. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:16. # Kiriat-Arba Anaran-tanĂ na izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 23:1.