# ireo faty "ireo fatin'i Hamora, Sekema, ary ireo olon'izy ireo" # nandroba ny tanàna "nangalatra ny zava-tsarobidy rehetra tao amin'ilay tanàna" # satria nandoto ny anabavin'izy ireo ny olona I Sekema irery no nandoto an'i Dina, kanefa ireo zanaka lahin'i Jakoba dia nisokajy ireo fianakavian'i Sekema manontolo sy ny olona rehetra tao an-tanàna ho tompon'andraikitra tamin'izany tranga izany. # efa nandoto Ny heviny dia nanala baraka tanteraka sy nanao tsinontsinona an'i Dina tamin'ny fanerena azy hiara mandry aminy i Sekema. Jereo ny nandikanao ny "nandoto" ao amin'ny 34:4. # Nalain'izy ireo ny ondry aman'osin'izy ireo "Nalain'ireo zanaka lahin'i Jakoba ireo ondry aman'osin'ny olona" # ny haren'izy ireo rehetra "ny fananan'izy ireo rehetra sy ny volany" # Ny zanaka sy ny vadin'izy ireo rehetra, dia nosamborin'izy ireo "nosamborin'izy ireo avokoa ny zanaka sy ny vadin'izy ireo"