# Nahafaly an'i Hamora sy i Sekema zanany ny tenin'izy ireo Eto ny "teny" dia ilazana izay nolazaina. DH: "Niombon-kevitra tamin'izay nolazain'ireo zanaka lahin'i Jakoba i Hamora sy i Sekema zanany" # nanao izay nolazain'izy ireo "ny ho tonga voafora" # zanaka vavin'i Jakoba "Dina zanaka vavin'i Jakoba" # satria izy no olona homem-boninahitra indrindra ao amin'ny ankohonan'ny rainy rehetra Afaka adika ho fehezanteny vaovao izany. Afaka azavaina fa i Sekema dia nahafantatra fa ireo lehilahy hafa dia hiombon-kevitra ny ho foraina satria izy ireo dia nanaja azy. DH: "Fantatr'i Sekema fa ireo lehilahy hafa rehetra ao amin'ny ankohonan-drainy dia hiombon-kevitra aminy satria izy no nomem-boninahitra indrindra teo amin'izy ireo"