# hihaona aminy "hihaona amin'i Jakoba" # namihina azy, nisankambina ny tendany ary nanoroka azy Afaka atao fehezanteny vaovao izany. DH: " Namihana an'i Jakoba tamin'ny sandriny Esao, nisankambina azy, ary nanoroka azy" # Avy eo dia nitomany izy ireo Afaka atao mazava kokoa izany. DH: "Avy eo dia nitomany i Jakoba sy Esao satria faly izy ireo fa nifankahita indray" # nahita ireo zaza amam-behivavy izy "nahita ireo zaza amam-behivavy izay niaraka tamin'i Jakoba" # Ireo no ankizy izay nomen'Andriamanitra tamim-pahasoavana ho an'ny mpanomponao Ny andian-teny "ny mpanomponao" dia fomba mihaja ilazan'i Jakoba ny tenany. DH: " ireo no zaza izay nomen'Andriamanitra tamin-katsaram-panahy ahy, mpanomponao"