# indro Ny teny hoe: "indro" eto dia manaitra antsika hitandrina tsara ny amin'ny fizaran-tantara vaovao izay tsy ampoizina. # lehilahy efa-jato "lehilahy 400" # Notsinjarain'i Jakoba (...) ireo ankizy ... ary ireo mpanompo vavy (...) Tsy midika izany fa nitsinjara ireo ankizy nitovy isa ho amin'ireo vehivavy Jakoba. Nizara ireo ankizy i Jakoba mba hahafan'ny tsirairay miaraka amin'ny reniny avy. # ireo mpanompo vavy "ireo vady mpanompo." Ilazana an'i Bila sy Zilpa izany. # Izy tenany dia nandeha nialoha azy ireo Eto ny "tenany" dia manindry fa nandeha irery teo anoloan'ireo hafa i Jakoba. # Niankohoka (...) izy Eto ny teny hoe "niankohoka" dia midika mamoritra ny lohalika amim-panetretena mba haneho fanajana sy voninahitra manoloana ny olona.