# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nanohy niresaka tamin'i Labana i Jakoba. # roapolo taona "20 taona'' # Ireo ondry vavy(i).. ondry vavy # tsy mba namotsotra Ny heviny dia hoe tsy mba teraka tsy tonga volana na tsy nampoizina ny zanak'ondry na maty teo amim-piterahana ireo zanany. # Tsy mba nentiko teo aminao izay voaviraviran'ireo bibidia Afaka atao izany hoe: DH: "Raha lanin'ny bibidia ny iray amin'ireo biby fiompinao dia tsy mba nentiko teo aminao izany'' # Fa kosa, izaho no nizaka ny fahaverezan'izany Ny amin'ireo biby fiompin'i Labana maty dia isaina ho faty antoka amin'ireo biby fiompin'i Jakoba ary resahina toy ny entana eo an-tsorony izay tsy maintsy zakainy. DH: "Raha tokony hisaina ho faty antoka amin'ireo biby fiompinao, dia nisaiko ho faty antoka amin'ireo biby fiompiko'' # Tany aho; ny atoandro dia namely ahy ny hafanana, ary ny alina dia namely ahy ny fanala Ny mijaly nohon'ny hafanana sy hatsika dia resahina toy ny biby izay nihinana an'i Jakoba. DH: "Mijanona miandry ireo biby fiompinao aho na dia amin'ny andro midanika sy ny hirifirin'ny alina aza''