# Hoy izy taminy ''Niteny tamin'i Jakoba i Labana'' # Inona no fandikan-dalàna nataoko? Inona no fahotako, no nanenjika ahy tamin-kafanam-po ianao? Ny andian-teny hoe: ''Inona no fandikan-dalàna nataoko'' sy ny ''Inona no fahotako'' dia toa manana hevitra mitovy ihany. Nanontany an'i Labana mba ilaza aminy izay ratsy nataony i Jakoba. DH: "Inona ny ratsy izay nataoko ka hanenjehanao ahy tahaka izao?" # nanenjika ahy tamin-kafanam-po Eto ny teny hoe ''kafana = mafana'' dia midika fa tena dodona i Labana hanenjika an'i Jakoba sy niezaka hanatratra azy. # Ary inona tamin'ireo rehetra zavatsoan'ny ankohonanao no hitanao? ''Inona ny zavatra itanao tao ka anao?" # Apetraho eto anoloan'ireo havantsika izany Eto ny teny hoe'' ...ntsika'' dia ilazana an'ireo havan'i Jakoba sy an'ireo havan'i Labana. DH: "'Apetraho eo anoloan'ireo havantsika ny zavatra izay itanao'' # hahafahan'izy ireo mitsara eo amintsika roa tonta Eto ny ''antsika roa tonta'' dia ilazana an'i Jakoba sy Labana. Ny andian-teny hoe: ''mitsara eo amin ...'' dia midika hoe hanapa-kevitra ny amin'izay marina ny amin'ny disadisa. DH: "hahafahan'izy ireo mitsara antsika roa tonta''