# nanao voady ''nivoady'' na ''nanao fianianana manetriketrika tamin'Andriamanitra'' # Raha (...)Andriamanitra ... dia Yaveh no ho Andriamanitro miresaka amin'Andriamanitra i Jakoba. Afaka atao izany hoe: DH: "Raha (...)Ianao ... dia Ianao, Yaveh, no ho Andriamanitra izay hotompoko" (UDB) # amin'ity lalana izay andehanako ity Milaza ny dian'i Jakoba hitady vady sy hiverina hody izany. DH: "amin'ny diany" # hanome ahy mofo hohanina Eto ''ny mofo'' dia milaza ny sakafo amin'ny ankapobeny. # ho any an-tranon-draiko Eto ny ''trano'' dia ilazana ny fianakavian'i Jakoba. DH: "ho any amin'ny raiko sy ny fianakaviako sisa'' # vato masina Midika izany fa ilay vato dia hanamarika ny toerana izay nisehoan'Andriamanitra taminy ary ho toerana izay hahafahan'ny olona manompo amin'Andriamanitra. DH: "tranon'Andriamanitra'' na ''toeran'Andriamanitra''