# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nanohy niresaka tamin'i Jakoba tao anaty nofy Andriamanitra. # Ho toy ny vovoka amin'ny tany ireo taranakao Hampitahain'Andriamanitra amin'ny vovokin'ny tany ireo taranak'i Jakoba mba hanindrina fa tsy tambo isaina izy ireo. DH: "Hanana taranaka maro mihoatra izay azonao isaina ianao'' # ary hiely hatrany andrefana Nampiasaina ny teny hoe ''ianao'' eto na dia milazana ireo taranak'i Jakoba aza. I Jakoba ihany no resahina satria izy no loham-pianakaviana. DH: "ary hiely hatrany andrefana ireo taranakao'' # hiely lavitra hatrany ianao Ny heviny dia hoe hiparitaka amin'ireo sisin'ireo tanin'izy ireo ary hameno toerana betsaka kokoa ny olona. # hatrany andrefana, ka hatrany atsinanana, hatrany avaratra, ary hatrany atsimo Ireo andian-teny ireo dia nampiasaina niaraka mba hidika hoe: ''amin'ny lalana rehetra'' # Amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao no hitahiana ireo fianakaviana eto an-tany rehetra Afaka atao izany hoe: DH: "Hitahy ireo fianakaviana eto an-tany rehetra Aho avy amin'ny alalanao sy amin'ny alalan'ireo taranakao'' # Indro Izany dia manampy hanasongadinana izay holazaina manaraka. DH: "Jereo'' na ''henoy'' na ''henoy tsara izay holazaiko anao'' # fa tsy handao anao Aho. Ho ataoko avokoa '''fa tsy handao anao Aho mandra-pahavitako ny zavatra rehetra'' # hiaro anao Aho ''hiaro anao ho hiheren-doza Aho'' na ''hiambina anao Aho'' # Hitondra anao amin'ity tany ity indray Aho ''Hitondra anao miverina amin'ity tany ity indray Aho''