# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nanohy niresaka tamin'i Isaka Yaveh. # Ho hampitomboiko (...) ireo taranakao "hataoko manana taranaka maro ianao." # toy ireo kintan'ny lanitra Miresaka momba ny isan'ireo taranak'i Isaka toy ny mitovy amin'ny isan'ireo kintana izany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 22:15. # lanitra Ilazana ny zavatra rehetra izay hitantsika eo amin'ny lanitra (eo ambonin'ny tany) ao anatin'izany ny masoandro, ny volana, ary ireo kintana. # hitahiana ireo firenena rehetra eto an-tany Afaka atao izany hoe: DH: "Hitahy ireo firenena rehetra eo ambonin'ny tany" # nankatò ny teniko sy nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko Ny andian-teny "nankatò ny teniko" sy "nitandrina ireo toro-lalako, ireo didiko, ireo fanambarako, ary ireo lalàko" dia manana dika mitovitovy ihany. DH: "nankatò Ahy Abrahama ary nanaqewr ny zavatra rehetra izay nandidiako azy" # nankatò ny feoko Eto ny "feo" dia ilazana an'i Yaveh. DH: "nankatò Ahy"