# fizokiana "zo handova ny ampahany betsaka amin'ny haren'ny raintsika amin'ny maha voalohan-teraka" (UDB) # efa ho faty aho Nampitombo ny zava-nisy Esao mba hanindrina ny hanoanany. DH: "Tena refona aho ary toa tsapako fa ho faty aho" # Inona ny soa azoko avy amin'ny fizokiana? Nampiasa izany fanontaniana izany Esao mba hanindrina fa manan-danja kokoa nohon'ny fizokiana ny fihinanan-kanina. Azo adika toy ny fanambarana izany. DH: "Tsy tsara ho ahy ny lova raha matin'ny hanoanana aho!" # mianianĂ  aloha amiko Izay tian'i Jakoba hianihanan'i Esao dia azo atao mazava. DH: "mianianĂ  aloha amiko fa hivarotra ny fizokianao ianao" # voanemba Toy ny tsaramaso izany, saingy ny voany dia boribory kely, ary toa fisapisaka. # Nanao tsinontsinona ny fizokiany i Esao "Nasehon'i Esao fa tsy manome lanja ny fizokiany izy"