# Ary ny andro niainan'i Abrahama dia 175 taona "Niaina 175 taona i Abrahama" # Niala aina Abrahama ka maty "Nitroka ny fofonainy farany Abrahama ary maty." Ny andian-teny hoe " fofonainy farany" na "Niala aina" na "maty" dia milaza zavatra iray ihany. DH: "maty i Abrahama" # Nitroka ny fofonainy farany/ Niala aina Fomba mihaja ilazana ny fahafatesan'ny olona. # maty tratra antitra, lehilahy zokiolona voky andro Milaza zavatra mitovitovy ihany izany andian-teny roa izany ary manasongadina fa niaina nandritra ny fotoana ela. DH: "rehefa niaina nandritra ny fotoana ela sy efa tena antitra" # lehilahy zokiolona voky andro Ny lava andro iainana dia resahina toy ny hoe tahaka ny fitoeran-javatra izay mety feno ny fiainana. # nangonina ho any amin'ireo olony izy Ny heviny dia hoe: tao aorian'ny nahafatesan'i Abrahama, ny fanahiny dia lasa nakany amin'ny toerana izay nisy ireo havany izay efa maty talohany. Afaka atao izany hoe: DH: "nanjohy ireo fianakavina izay efa maty izy"