# Koa dia nalefan'izy ireo (...) Rebeka anabavin'izy ireo Koa dia nalefan'ny fianakaviana i Rebeka" # i Rebeka anabavin'izy ireo Anabavin'i Labana i Rebeka. DH: "ny havan'izy ireo" na "ny anabavin'i Labana" # ny mpanompo vaviny Ilazana ny mpanompo vavy izay namahana an'i Rebeka raha vao kely izy, nikarakara azy fony izy mbola zaza, ary mbola manompo azy hatrany. # Ranabavy / ry anabavinay Tsy anabavin'ny olona rehetra tao amin'ny tranony i Rebeka. Kanefa niantso azy toy izany izy ireo mba hanehoana fa tian'izy ireo izy. DH: "Rebeka malalanay" # ho renin'ny aman'arivony sy aman'aliny anie ianao Eto ny "reny" dia entina milaza ny razambe. DH: "ho razamben'ny olona an-tapitrisany anie ianao" na "hanana taranaka maro tokoa anie ianao" # aman'arivony sy aman'aliny Ny heviny dia hoe: tsy tambo isaina. # ho tompon'ny vavahadin'ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao Ireo tafika dia hamaky avy eo amin'ny vavahadin'ireo tananĂ n'ny fahavalon'izy ireo ary handresy ny olona. DH: "Tena handresy tanteraka ireo izay mankahala azy anie ireo taranakao"