# Kanefa nitaredretra izy "Kanefa nisalasala i Lota" na "Kanefa tsy niainga avy hatrany i Lota" # Dia nohazonin'ireo lehilahy "koa dia nohazonin'ireo lehilahy roa" na "koa dia Dia nohazonin'ireo anjely" # be famindram-po taminy "nanana fangoraham-po tamin'i Lota." Soritsoritina toy ny "be famindram-po" i Yaveh satria niharo ny ain'i Lota sy ireo havany raha tokony handringana azy ireo tamin'ny fandringanany ny olon'i Sodoma nohon'ny ratsy izay nataon'izy ireo. # Rehefa tafavoakan'izy ireo teny ivelany izy ireo "Rehefa tafavoakan'ireo lehilahy roa teny ivelany ireo havan'i Lota" # Mandosira ho amin'ny ainareo! Fomba ilazana amin'izy ireo mba handositra ka tsy ho faty izany. DH: "Mandosira ary avoty ny ainareo!" # Aza miherika Ny andian-teny "any amin'ny tanàna" dia mazava. DH: "Aza miherika any amin'ny tanàna" na "Aza miherika amin'i Sodoma" # amin'ny tany lemaka Ny dikany dia ny lemakin'ny onin'i Jordana. Ilazana ny faritry ny onin'i Jordana amin'ny ankapobeny izany. # tsy ho voaringana ianareo Mazava amin'izany fa ho voaringana miaraka amin'ireo olon'ny tanàna izy ireo. Afaka atao izany hoe: DH: "raha tsy izany dia haringan'Andriamanitra miaraka amin'ireo olon'ny tanàna ianareo" # tsy ho voaringana Ny fandringanan'Andriamanitra ny olon'ny tanàna dia resahina toy ny olona iray izay mifaoka vovoka.