# Tompo Fanehoam-panajana izany. Ireo mety ho heviny dia 1) Fantatr'Abrahama fa ny iray amin'ireo lehilahy ireo dia Andriamanitra na 2) Fantatr'Abrahama fa ireo lehilahy ireo dia tonga ho an'Andriamanitra. # teo imasonao Niresaka tamin'ny iray tamin'ireo lehilahy i Abrahama. # aza mandalo "aza manohy mandeha intsony re" # ity mpanomponao "izaho". Izany fomba izany no ilazan'i Abrahama ny tenany mba hanehoany fanajana an'ireto vahininy. # Aoka hisy rano kely ho entina Afaka atao izany hoe: DH: "aoka aho hitondra rano" na "Hitondra rano ireo mpanompoko" # rano kely ... sakafo kely "rano ...sakafo." Ny fiteny hoe "kely" dia fomba mihaja hanehoana ny fahalalan-tanana . Hanome azy ireo sakafo sy rano mihoatra noho izay ampy aza i Abrahama. # sasao ny tongotrareo Izany fomba izany dia manampy ireo vizakin'ny dia amin'ny famelombelomana ny tenan'izy ireo tao aorian'ny dia an-tongotra lavitra. # anareo ... ianareo Niresaka tamin'ireo telo lahy Abrahama, noho izany dia ampiasaina ny "anareo" sy ianareo"