# Mamre Anaran'ilay lehilahy izay tompon'ny Hazo Terebinta izany. # teo an-tokanam-baravaran'ny lay "teo amin'ny fisokafan'ny lay" na "teo amin'ny fidiranan'ny lay" # tamin'ny misandratr'andro "fotoana mafana indrindra ao anatin'ny andro" # Niandrandra izy ary, indro, nahita lehilahy telo nitsangana "Niandrandra izy ary, indro, nisy lehilahy telo teo amin'ny tandrifiny." # indro "tampoka teo." Ny teny hoe : "indro" eto dia maneho amintsika fa nanaitra an'i Abrahama izay niseho manaraka. # teo amin'ny tandrifiny "teo akaiky teo" na "teo". Teo akaikiny izy ireo, kanefa ampy hihazakazahany hankeny amin'izy ireo. # niankohoka Miondrika amin'ny fanetre-tena mba haneho fanajana sy voninahitra manoloana ny olona iray.