# Ireto mpanjaka dimy farany dia nifampitaona niaraka Ny fampahafantarana fa ireo tafika dia miaraka amin'izy ireo dia azo atao mazava. DH: "Ireto mpanjaka dimy farany sy ireo tafiny dia nifampitaona niaraka" # Roa ambin'ny folo taona no nanompoan'izy ireo Ny tranga ao amin'ny andininy 4-7 dia niseho talohan'ny andininy 3. Ny fiteninao dia mety hanana fomba fanehoana izany. # nanompoan'izy ireo an'i Kedorlaomera mety tsy maintsy nandoa hetra sy nanao fanompoana tao amin'ny tafiny tokoa izy ireo. DH: "teo ambany fifehezan'i Kedorlaomera izy ireo" # nikomy izy ireo "nandà ny hanompo azy izy ireo" na "nitsahatra ny nanompo azy izy ireo" # tonga ... ary nanafika Nanao izany izy ireo satria nikomy ireo mpanjaka hafa. # Refaita ... Zozima ... Emima ... Horita Anarana vondron'olona ireo. # Astarta-Kamaima ... Hama ... Save-kiriataima ... Seira ... Elparana Anaran-toerana ireo. # Elparana, izay akaikin'ny tany efitra Izany andian-teny izany dia manampy ny mpamaky hahatakatra izay misy an'i Elparana. Azo adika amin'ny fehezanteny misaraka izany raha ilaina. DH: " Elparana. Elparana dia akaikin'ny efitra"