# Fampahafantarana ankapobeny: Raha azonao atao, dia tazomy ny endrik'ireo andininy ireo mba hanehoana amin'ny mpamaky fa hay kanto izany. # Isaorana anie Yaveh, Andriamanitr'i Sema, "Hankalazaina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'i Sema," na "Yaveh, ilay Andriamanitr'i Sema, dia mendrika ny fiderana" na "Midera an'i Yaveh aho, ilay Andriamanitr'i Sema" (UDB) # ho mpanompony anie i Kanàna "Aoka i Kanàna ho mpanompon'i Sema." Tafiditra ao amin'izany ireo taranak'i Kanàna sy Sema. # Hanitatra ny fari-tanin'i Jafeta anie Andriamanitra Ireo mety ho heviny dia 1) "Hataon'Andriamanitra lehibe anie ny fari-tanin'i Jafeta" (UDB) na 2) "Andriamanitra anie hahamaro ny taranak'i Jafeta." # ary hamela azy hanorina ny tranony eo amin'ireo lain'i Sema "ary hamela azy hiaina am-pilaminana (fiadanana) miaraka amin'i Sema." Tafiditra ao anatin'izany ireo taranak'i Jafeta sy Sema. # Ho mpanompony anie i Kanana "Aoka ho mpanompon'i Jafeta i Kanana." Tafiditra ao anatin'izany ireo taranak'i Jafeta sy Sema.