# Fampahafantarana ankapobeny: Nanohy niresaka tamin'i Noa sy ireo zanany lahy Andriamanitra. # Izao Aho dia hanamafy ny fanekena nataoko taminareo, "Amin'ny filazana hoe, hanao ny fanekeko aminao Aho." Jereo ny nandikana ny teny mitovy ao amin'ny 6:18. # ny nofo rehetra Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby. # Ary tsy hisy safo-drano handrava ny tany intsony "Tsy hisy safo-drano handrava ny tany intsony mandrakizay." Hisy safo-drano, kanefa tsy handrava ny tany manontolo izany. # famantarana Izany dia midika ho fampatsiahivana ny zavatra izay nampanantenaina. # fanekena ... an'ireo taranaka ho avy rehetra Mihatra amin'i Noa sy ny fianakaviany ary ny taranaka fara mandimby rehetra ihany koa izany.