# Ny tany Ireo mety ho heviny dia 1) ireo olona izay miaina eo amin'ny tany na 2) "ny tany mihitsy." # Simba ny tany Izay nataon'ny olona dia ratsy ary noresahina toy ny sakafo izay tonga lo. DH: "lasa lo" na "tena ratsy tanteraka" # teo anatrehan'Andriamanitra Ireo mety ho heviny dia 1) "teo imason'Andriamanitra" na 2) "teo anatrehan'i Yaveh" toy ny ao amin'ny 4:16. # ary feno herisetra izany Ny mpanoratra dia miresaka ny herisetra toy ny zavatra izay afaka atao ao anaty fitoeran-javatra sy ny tany ho toy ny fitoerany. DH:" ary maro ny olona misetrasetra teo amin'ny tany" na "satria feno olona izay nifanao zava-dratsy izany" # Indro Ny teny hoe: "indro" dia manaitra antsika hitandrina tsara izay fampantarana tsy ampoizina izay hiseho maraka eto. # ny nofo rehetra Ireo mety ho heviny dia: 1)ny olombelona rehetra na 2) ny manana vatana rehetra, dia ny olona sy ny biby. # nanimba ny lalan'izy ireo Ny fitondratenan'ny olona dia resahina toy ny lalana. DH: "nanatsahatra niaina ny lalana izay notakian'Andriamanitra" na "nanao fitondran-tena ratsy" (UDB)