# nandry taminy Ny fiteninao dia mety hanana fomba fiteny mihaja ho an'izany . Ny dikan-teny tranainy manao hoe:"nahalala". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 4:1. # ary niteny, "Nomen'Andriamanitra zanaka hafa aho Izany no antony nanomezany azy ny anarana hoe Seta. Afaka azavaina izany. DH: "ary nazavaina, 'Andriamanitra efa nanome zanaka hafa ho ahy ." # Seta Ireo mpandika teny dia mety hanampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe" izany anarana izany dia mitovy fanonona amin'ny teny Hebreo izay midika hoe 'efa nanome'" # Niteraka zazalahy i Seta Afaka azavaina izany. DH: "Ny vadin'i Seta dia niteraka zazalahy taminy" # niantso ny anaran'i Yaveh Izany no fotoana voalohany niantson'ny olona an'Andriamanitra tamin'ny anarana hoe Yaveh. Afaka azavaina izany. DH: "hidera an'Andriamanitra amin'ny fampiasana ny anarana hoe Yaveh"