# ianareo... ianareo...anareo... ianareo ireo teny ireo dia ilazana ilay lehilahy sy ilay vehivavy izay anankiroa na mihoatra ny iray. # dia hahiratra ny masonareo "dia hisokatra ny masonareo." Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "hahafantatra zavatra ianareo" na "hahatakatra zavatra vaovao ianareo." Voalaza mazava izany hevitra izany. DH: "ho tahaka ny misokatra ny masonareo"(UDB) # mahalala ny tsara sy ny ratsy Eto "ny tsara sy ny ratsy" dia hevitra am-badika izay ilazana ny faratapony sy ny zavatra rehetra eo anelanelany. Jereo ny nandikanao ny hoe: "fahalalana ny tsara sy ny ratsy" ao amin'ny 2:9. DH: "mahalala ny zavatra rehetra, ny tsara sy ny ratsy" # nahafinaritra ny maso izany "mahafinaritra raha jerena ilay hazo" na "tsara ny mijery izany" na "tena tsara be izany" (UDB) # ary ilay hazo dia nampitsiriritra fa mampahendry "ary niriany ny voan'ilay hazo satria izany dia mahatonga ho olon-kendry" na "ary naniry ny voan'izany izy satria afaka hahatonga azy hahatakatra ny tsara sy ny ratsy toa an'Andriamanitra izany"