# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Eo am-pamaranan'i Paoly ny taratasiny, dia manao fampatsiahivana iray hafa izy fa ny lalàna dia tsy mamonjy ary tokony hahatsiaro ny hazofijalian'i Kristy izy ireo. # halehiben'ny soratra Mety midika izany fa i Paoly dia te hanindry ny amin'ny 1) filazana izay manaraka eo na 2) hoe avy aminy ity taratasy ity. # nosoratan'ny tanako Ireo mety ho dikany dia 1) Mety nanana mpanampy izay nanoratra ny ankamaroan'ireo taratasiny i Paoly ary i Paoly no nilaza taminy izay ho soratana, saingy i Paoly mihitsy no naoratra io ampahany farany amin'ny taratasy io na 2) I Paoly mihitsy no nanoratra ny taratasy. # hiseho ho tsara "mahatonga ny hafa hihevitra tsara momba azy ireo" na "mahatonga ny hafa hihevitra fa olona tsara izy ireo" # ao amin'ny nofo "amin'ny porofo hita maso" na "amin'ny fiezahan'izy ireo manokana" # manery "misarika mafy" # mba hialana amin'ny fanenjehana nohon'ny amin'ny hazofijalian'i Kristy "mba tsy hanenjika azy ireo ny olona nohon'ny filazana fa ny hazofijalian'i Kristy irery ihany no mamonjy ny olona. # hazofijalian'i Ny hazofijaliana eto dia maneho izay nataon'i Kristy ho antsika tamin'ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana. DH: "ny asa vitan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana" na "ny fahafatesana sy ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty" # tian'izy ireo "tian'ireo olona manosika anareo mba ho foraina" # mba hireharehan'izy ireo amin'ny nofonareo "mba hirehareha izy ireo fa nanampy anareo tao amin'ireo olona izay miezaka ny hihazona ny lalàna"