# Fampifandraisana ny foto-kevitra: I Paoly dia mampatsiahy ireo mpino Galatiana ny amin'ny fandraisan'izy ireo azy tamin'ny hatsaram-panahy tamin'ny naha-teo amin'izy ireo azy, ary mampahery azy ireo mba hatoky azy hatrany rehefa tsy eo amin'izy ireo izy. # Miangavy Eto izany dia midika fangatahana na fandrisihana mafy. Tsy ilay teny fampiasa amin'ny fangatahana vola na sakafo na zavatra mivaingana io. # rahalahy Adikao araka ny ao amin'ny 1:1. # Tsy nanao ratsy tamiko ianareo Azo adika hoe DH: "noraisinareo tsara aho" na "noraisinareo araka ny tokony nataonareo aho" # Na dia nitondra anareo tamin'ny fakam-panahy aza ny toe-batako "Na dia sarotra taminareo aza ny nahita ahy narary ara-batana tahaka ireny" # nanao tsinontsinona "nankahala mafy"