# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mampatsiahy ireo mpino indray i Paoly fa ny fitandremana ny lalàna dia tsy afaka mamonjy ny olona iray ary tsy manisy fepetra vaovao amin'ny fampanantenana tamin'ny finoana nomena an'i Abrahama izany. # tamin'ny ozon'ny lalàna Ny anarana hoe "ozona" dia azo avadika ho matoanteny hoe "voaozona." DH: "tsy ho voaozona noho ny lalàna" na "tsy ho voaozona nohon'ny tsy fankatoavana ny lalàna" # nahatongavany ho ozona ho anay Ny anarana hoe "ozona" dia azo atao matoanteny. DH: "tamin'ny nahavoaozona Azy ho antsika" na "raha nozonin'Andriamanitra Izy raha tokony ho isika" # tamin'ny ozon'ny lalàna ... nahatongavany ho ozona ho anay ... Voaozona izay rehetra Eto ny ozona dia ilazana hoe meloka. DH: "mba tsy ho vaoheloky ny lalàna ... ho meloka raha tokony ho isika izany ... Meloka izay rehetra" # mihantona amin'ny hazo Miandry ireo mpamaky i Paoly mba hahatakatra fa nanondro an'i Jesosy nihantona teo amin'ny hazofijaliana izy. # ahazoantsika Tafiditra ao amin'io mpisolo-tena tampisaka "-tsika" io ireo olona izay hamaky ny taratasy.