# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity dia manomboka ny firaketana ny didin'i Kyrosy Mpanjaka fa nanangana indray ny tempolin'Andriamanitra tao Jerosalema ireo Jiosy, izay nanomboka tao amin'ny 6:3. # Ny vola avy amin'ny hetran'ny mpanjaka avy any Andafin'ny Ony no hampiasaina hanakaramana ireo lehilahy ireo DH: "Ampiasao mba handoavana ny karaman'ireo lehilahy ireo ny vola avy amin'ny hetran'ireo mpanjaka andafin'ny ony" # Ny vola avy amin'ny hetran'ny mpanjaka avy any Andafin'ny Ony "Ny hetran'ny mpanjaka" dia manondro ny haba izay aloan'ny vahoaka amin'ny mpanjaka. DH: "Ny vola avy amin'ny hetra izay nangoninao ho an'ny mpanjaka avy any amin'ny vahoaka andafin'ny ony" # Na inona na inona ilaina DH: "Na inona na inona ilain'izy ireo"