# ny Faritany Andafin'ny Ony Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 4:9. # Naloa tamin'izy ireo ny haba sy ireo hetra DH: "Nandoa haba sy hetra tany amin'ireo mpanjaka ireo ny vahoaka tany Jerosalema" na "Afaka ny haka ny haba sy ny hetra ireo mpanjaka ireo" # manaova lalàna manaova didy # Mitandrema mba tsy hanao tsirambina izany "Aoka mba hatao izany" # Nahoana izany fandrahonana izany no avela hitombo ka ho fatiantoka fahaverezana maro ho an'ny tombontsoan'ny fanjakana? Mampiasa fanontaniana i Artaksersesy mba hilazana amin'izy ireo fa takany fa ho very hetra sy voninahitra izy raha voaorina ilay tanàna. DH: "Tsy ataonareo azo antoka fa tsy hitombo izany fandrahonana izany ary tsy hahafaty antoka be ho an'ny tombontsoan'ny fanjakana." # fandrahonana izany no avela hitombo Ny loza dia resahina toy ny hoe zavamaniry izay afaka mitombo habe izany. DH: "ny loza mba ho ratsy kokoa" # ho fatiantoka fahaverezana maro ho an'ny tombontsoan'ny fanjakana Ny teny hoe "ny tombontsoan'ny fanjakana' dia sarinteny hilazana ny mpanjaka mihitsy. DH: "mahatonga zavatra ratsy maro hitranga amin'ireo mpanjaka"