# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela. Izao ny hafany dia ho an'ireo tendrombohitr'Israely. # zanak'olona Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1. # maminania amin'ireo tendrombohitr'Israely Ezekiela dia tian'Andriamanitra hiresaka amin'ireo tendrombohitra toy ny hoe olona izy ireo. # Hia Ity dia fomba fiteny ho an'ny hafaliana. Izany dia afaka adika hoe "tena faly aho" na "lehibe izany" # ireo toerana avo fahagola Ity dia maneho an'ireo tendrombohitra avon'Israely. DH: "ireo tendrombohitra tena efa ela." # Lasa fanananay "anay ankehitriny" # Nohon'ny faharavanareo DH: "satria lasa rava ireo tendrombohitrareo" # nohon'ny fanafihana izay tonga teo aminareo avy any amin'ny lafiny rehetra "satria ianareo notafihana avy any amin'ny lalana rehetra" na "satria ireo fahavalonareo nanafika anareo avy any amin'ny lalana rehetra" # efa lasa foto-kevitry ny molotra sy ny lela mpanendrikendrika ianareo, ary tantaran'ny olona DH: "Ny vahoaka dia milaza zavatra ratsy momba anareo, ary ireo firenena dia milaza tantara ratsy momba anareo" # molotra sy ny lela mpanendrikendrika DH: "teny manendrikendrika"