# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Yaveh manohy miresaka amin'i Ezekiela momban'ny vahoaka izay nipetraka tao amin'ireo ravan'Isrely. # Mihinan-drà ianareo Tiana lazaina fa mihinana rà izy ireo amin'ny fihinanana hena izay mbola misy rà ao anatiny. Yaveh dia nandidy azy ireo mba handatsaka ny rà. DH: "mihinana hena misy rà ao anatiny ianareo." # manandratra ny masonareo any amin'ireo sampinareo "mijery ny sampinareo ianareo." Ity dia midika hoe "manompo ny sampinareo ianareo" (UDB) # nandraraka ràn'olona ianareo DH: "mandatsa-drà ianareo." Ity dia midika hoe "mamono olona ianareo." # Tokony hahazo ny tany tokoa ve ianareo? Mampiasa ity fanontaniana ity Yaveh mba hitenenana mafy ny vahoaka. DH: "Tsy tokony hahazo ity tany ity ianareo" na "tsy mendrika anareo ity tany ity." # Efa niankina tamin'ireo sabatrareo ianareo DH: "efa nampiasa ny sabatrareo mba hahazoana izay tianareo ianareo" # nanao zavatra maharikoriko DH: "nanao zavatra izay tena halako mafy" # ny lehilahy tsirairay dia mandoto ny vadin'ny mpiara-monina aminy Tiana lazaina fa izy ireo dia mandoto ireo vadin'ny mpiara-belona aminy amin'ny fiarahana mandry amin'izy ireo.