# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera. # teo anelanelan'ny sampany no napetrany ny tendrony Ireo mety ho heviny dia 1) "nanandratra ny tendrony teo ambonin'ny sampan'ireo hazo hafa" na 2) "nanandratra ny tendron'ny hazony teo amin'ireo rahona." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 31:3. # napetrany ny tendrony Ity andalana ity dia manohy maneho an'ilay mpanjakan'i Asyria, izay naseho tamin'ny alalan'ny hazo sedera. # Nomeko teo an-tanan'ilay iray maherin'ireo firenena izy "napetrako teo amin'ny fahefan'ilay firenena matanjaka indrindra izy." Ny hoe "manolotra eo an-tanana" dia maneho ny fifehezana. # Efa nariako tany ivelany izany "nalefako niala ny tanin-tsedera ilay sedera satria ratsy fanahy ilay sedera"