# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely sy Joda. # Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izany ireo mety ho heviny dia 1) Yaveh dia miresaka ny tenany toy ny hoe olona hafa Izy DH: "Aho—Izaho, Tompo Yaveh, dia manao izao fanambarana izao—izany" na 2) Ezekiela dia mampatsiahy an'ireo mpamakiny fa milaza ny tenin'i Yaveh izy DH: "Aho'—izany no fanambaran'i Yaveh—'izany" # Tompo Yaveh Adikao toy ny tao amin'ny 2:4. # nandoto ny fitoerako masina nandrava ny toerana izay natokan'i Yaveh ho amin'izay ilainy fotsiny, # miaraka amin'ireo zavatra maharikoriko "miaraka amin'ireo zavatrareo izay halako." Mety mila ataonao mazava tsara fa ity dia maneho an'ireo sampy: "miaraka amin'ireo sampy izay halako" na "miaraka amin'ireo sampy maharikorikonareo" (UDB). # ireo asanareo maharikoriko rehetra "miaraka amin'ireo zavatra maharikoriko rehetra izay ataonao" # tsy hanana fiantrana aminareo ny masoko Ny teny hoe "maso" dia sarinteny ho an'i Yaveh. DH: "Tsy hiantra anareo Aho" # tsy hitsitsy anareo Aho "azo antoka fa hanasazy anareo Aho" # ho fatin'ny mosary eo afovoanao izy ireo "maro amin'izy ireo no ho faty nohon'ny mosary"