# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miresaka amin'ny vahoaka i Mosesy. # Nataony tao am-pony mba hampianarana izany Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Bezalela. Ny fahaizana mampianatra dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka apetraka ao am-po. DH: "Nomeny an'i Bezalela ny fahaizana hampianatra" # Nameno azy ireo tamin'ny fahaiza-manao zavatra Ny fahaizana mamorona zavatra kanto dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka mameno olona izany. DH: "nahatonga azy ireo ho mahay tokoa" # Oholiaba zanaka lahin'i Ahisamaka, avy amin'ny fokon'i Dana "Oholiaba" sy "Ahisamaka" dia anaran-dehilahy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 31:6. # mpanao asa sokitra olona izay misikotra sary eo amin'ny zavatra mafy tahaka ny hazo, vato, na vy # mpanao peta-kofehy olona izay manjaitra sary eo amin'ny akanjo # mpanao asa-tanana olona izay manam-pahaizana amin'ny fanaovan-javatra tsara amin'ny tanana # mpanenona olona izay mamorona lamba amin'ny kofehy # mpamorona asa kanto olona izay mamorona zava-kanto