# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miresaka amin'i Yaveh i Mosesy. Eto dia milaza aminy izay tsy maintsy ataon'i Mosesy sy ny vahoaka Izy. # lasa fandrika eo aminareo izany Ny olona izay maka fanahy ny hafa mba hanota dia resahina toy ny hoe fandrika izy ireo. DH: "haka fanahy anareo mba hanota izy ireo" # izay manana anarana hoe Saropiaro Ny teny hoe "anarana" dia manondro ny toetran'Andriamanitra. DH: "Izaho, Yaveh, izay saropiaro lalandava" na "Izaho, Yaveh, dia saropiaro" # Yaveh, izay manana anarana hoe Saropiaro, Ny teny hoe "Saropiaro" eto dia midika fa niahy ny mba hitazona ny voninahiny Andriamanitra. Raha manompo andriamani-kafa ny vahoakany, dia very voninahitra Izy, satria rehefa tsy manome voninahitra Azy ny vahoakany, dia tsy hanome voninahitra Azy ihany koa ny olon-kafa. DH: "Izaho, Yaveh, dia miaro ny voninahitro hatrany"