# Efa hitako ity vahoaka ity Eto i Yaveh dia mampitaha ny fahalalana ny vahoaka amin'ny fahitana azy ireo. DH: "Fantatro ity vahoaka ity'' # vahoaka mafy hatoka Ny olona mafy loha dia resahin'i Yaveh toy ny hoe mafy hatoka izy ireo. DH: "olona mafy loha" # Koa ankehitriny Ny teny hoe "koa" eto dia nampiasaina mba hanamarika fihatoana amin'izay lazain'i Yaveh amin'i Mosesy. Eto i Yaveh dia milaza izay hataony amin'ny vahoaka. # Hirehitra mafy amin'izy ireo ny hatezerako Ny hatezerany dia resahin'i Yaveh toy ny hoe afo izay afaka mirehitra be. DH: "Ny hatezerako amin'izy ireo dia ho loza" na "Tezitra be amin'izy ireo Aho" (UDB) # avy aminao Ny teny hoe "aminao" dia manondro an'i Mosesy. # nahoana ny hatezeranao no mirehitra amin'ny vahoakanao Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hiezaka handresy lahatra an'i Yaveh mba tsy ho tezitra mafy amin'ny vahoakany. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Aza avela hirehitra amin'ny vahoakanao ny hatezeranao" na "Aza tezitra loatra amin'ny vahoakanao" # hery lehibe...tanana mahery Ireo andianteny ireo dia mitovy dika ihany ary nampiarahina mba hanindriana. # tanana mahery Eto ny teny hoe "tanana'' dia manondro ireo zavatra nataon'i Yaveh. DH: "sy ny herin'ireo zavatra nataonao"