# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miresaka amin'i Mosesy i Yaveh. # Oholiaba...Ahisamaka Ireo dia anaran-dehilahy. # Nasiako fahaiza-manao ny tao am-pon'ny rehetra izay hendry Ny fanaovana ny olona hahay manao zavatra dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe nasiany fahaizana tao anatin'ny fon'izy ireo. DH: "Efa nomeko fahaiza-manao ny rehetra izay hendry" na "Efa nataoko afaka hanao zavatra tsara ny rehetra izay hendry" # lay fihaonana Io dia anaran'ny tabernakely hafa. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 27:20. # fiaran'ny vavolombelona Ny fiara dia tratra izay misy ireo didy. Izany dia afaka ambara mazava ao amin'ny fandikan-teny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:31. DH: "ny tratra misy ny didy" # saronam-panavotana Io dia sarona izay mipetraka eo ambonin'ny fiara izay nanaovana ny fanavotana. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 25:15. # alitaran'ny didin-kazo manitra "alitara handoroana ny ditin-kazo manitra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:3. # alitaran'ny fanatitra dorana "alitara izay handorana ny fanatitra". Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 30:26.