# nohamafisin'i Yaveh ny fon'i Farao Eto ny hoe "fo" dia manondro an'i Farao. Ny fihetsiny feno hamafisan-doha dia resahana toy ny hoe mafy ny fony. Jereo ny nandikanao io andian-teny io ao amin'ny 9:11. DH: "nahatonga an'i Farao hanjary manohitra kokoa" # tsy hamela azy ireo andeha izy "tsy hamela azy ireo andeha i Farao" # Fa mitandrema amin'ny zavatra iray "Aoka hahazo antoka ny zavatra iray'' # hahitanao ny tavako Eto ny teny hoe "tava" dia manondro ny olona manontolo. DH: "hitanao Aho" # Voalazanao mihitsy Amin'ireo teny ireo, no nanindrian'i Mosesy fa nilaza ny marina i Farao. DH: "Izay nolazainao dia marina"